You are here: home > Vetso

MASOANDRO - Tsiky Mitia

Azo vakiana?

             MASOANDRO

   Dia indro indray fa nibaliaka
   ilay taratra masoandro
   nanafoana ny hatsiaka
   manafana izany andro

   Mitsidika isam-baravarana
   manapariaka ny hazavana
   tazako manarangarana
   reko koa ny hafanana

   Hazavana tsy voarefy
   no aparitany ombieny
   fa na ny gadra izay voafefy, aza...
   dia indro fa omeny
   izany tara-pahazavany....

           Tsiky Mitia

Mombamomba

Mpanoratra : Tsiky Mitia


Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 10/08/2016
Mpamangy : 1040
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MARAINA
ERITRERITRA
TSIKY
MATOKIA NY FITIAVAKO
SENTO IRERY
ALINA
ANY IANAO
fitia
Ho anao
VOLA