Ho anao (Tsiky Mitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao (17/06/2016)

Iniako atao mihitsy ny mandray ny tànanao
rehefa isika mifanena, asa raha tsikaritrao!
fa toa mahavelom-bolo, manome fanantenana
eny! ny ririnina aza, dia zary misy hafanana

fihininao ny tanako ka mirana ny saiko
ny hany azoko lazaina, babonao aho re ry aiko
ilay isika hisaraka iny, dia orohonao kely
tena satriko hitohy, tsy hiala velively

finaritra ny sofiko mandre ny bitsibitsikao
hoe "tsy lainga izay lazaiko fa tena tiako ho ahy ianao"
isaky ny mifanena dia miontana iray ny foko
fa ny endrika ivelany mody ataoko miova loko

ny anilanao na dia tsy maharitra aza
dia efa ankafiziko izay kely mba sahaza
ilay fotoana fohy ifandraisantsika kely
dia tsy afaka ato an-tsaiko, tsy ho adino velively

Tsiky Mitia
--------
Rohy:
1125 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 05/08/2016 05:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103