TSIKY (Tsiky Mitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY

Raha toa ianao mitsiky dia tena mahafatifaty
mampita hafaliana, mampitony ny ao anaty
Ilay tsiky avy aminao dia tena hafa mihitsy
manome aina vao, anatin'ny segondra vitsy

Ilay tsiky avy aminao, tsy mba manana sahala
fa vao indro ianao mitsiky dia tsy maha-te hiala
satry foana ny hahita ilay tsikinao maharitra
zary tsy afaka ao an-tsaina, lasa sary mahafinaritra

Tsiky! tsikin'ny fitia, tsiky feno fifaliana
ilay fitsikinao mihitsy no tena mahavariana,
fa tsiky avy ao anaty mampisinda ny alahelo
satriko ho ahy irery, tazomiko ho tsiambaratelo!

Tsiky Mitia
--------
Rohy:
2100 1
Mpakafy: Masoandroko
Hevitra mandeha
Masoandroko ( 07/08/2016 16:09)
Ny tsikinao no mampitsiky izany tavako.
Ny ainao ihany koa no hiainako @fiainako.
Ny anaranao no tsy afaka ato ambavako.
Ny mombanao rehetra halasan'ny fisainako
tiamitsiky ( 08/08/2016 06:05)
Mankasitraka eh, tsara be fa tokony mbola hitohy
masoandroko ( 24/08/2016 18:46)
ity n tohiny

ianao!fa ianao!dia mbola ianao foana ihany.
lanao no hamenoiko NY tontolo vaovao.
soa fa nisy ianao,indrindra teto an-tany,
ahafahako ilàzana izay nokasaiko haoriko hoanao.
...
fa tia aho...hiandrandra anao ho andefimandriko.
safidiko manokana ho ai an-tokantranoko.
na mbola ela aza tsy maninona fa andriko.
satria ianao no efa niriako hamaly izany antsoko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 06/08/2016 05:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144