ALINA - Tsiky Mitia
Azo vakiana?
ALINA
tonga indray ny alina, mangina ny tontolo
saingy ny eritreritra, manidina toa lolo
misaina ny ho avy iatrehana ny fiainana
hoe inona no atao? ahoana no iainana?
lasa ny vinany, tsy mandry izany saina
toa lava koa ny alina, mbola ho ela vao haraina
mihodina ny tena, mivadibadi-mandry
ahoana indray ny ampitso? inona no hiandry?
ry alina mangina natao ialàna sasatra
moa ve ianao mba mety hanova zavatra?
sa nofinofy ihany no azonao atolotra
rediredy anaty, tsy mivoaka eo imolotra
alina, alin-kisa andefasana vinany
ventso anaty saina miampita any ho any
alim-pitoniana @ endrika ivelany
fa tena eritreritra manidina no avelany
Tsiky Mitia
Mombamomba
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 05/08/2016
Mpamangy : 1378
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
MASOANDROMARAINA
ERITRERITRA
TSIKY
MATOKIA NY FITIAVAKO
SENTO IRERY
ANY IANAO
fitia
Ho anao
VOLA