VOLA (Tsiky Mitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOLA

aminao avokoa ny hery sy ny fahefana
mitady lava anao tsy mba misy fitsaharana
lany taminao hatramin'ny hatanorana
ianao, dia ianao no fototry ny fisasarana

manaiky anao tanteraka aho amin 'zato herinao
fa tsy azo hodian-tsy hita na koa hodian-tsy fantatra
hatramin'ny fitiavana aza moa verezinao
raha tsy misy anao dia tsy ho tonga lafatra

resabe avokoa izany hoe tsy tia "ny vola"
fihatsaram-belatsihy, n'iza n'iza dia manaiky
fa raha tsy misy anao, tsy ho afaka midola
na ny lavitra aza anie dia toa lasa miha-akaiky

Tsiky Mitia
--------
Rohy:
1659 1
Mpakafy: tiamitsiky
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 05/08/2016 05:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148