IANAO (Tsiky Mitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Ianao"

raha ho avy ilay fotoana hahitako anao ry tiako
dia ho feno fifaliana fa to tokoa ny faniriako
efa ela niandrasana, efa ela naniriana
maika ny ho anilanao, maika hamihina olon-tiana

toa tsy ho andry ny handrenesana izato tambitambinao
safosafo, orokoroka, teny mamy avy aminao
ilay tratranao iondanana dia tsy maha-te hiala
ny bitsikao malefadefaka, miantso ahy hoe malala

toa adino avokoa raha izao tontolo izao
misinda koa ny ahiahy rehefa eo anilanao
satria hainao mihitsy ny maneho ilay fitia
tena tsapa avy any anaty fa tsy an-tery sanatria

hainao dia hainao ny mitsabo fo maratra
satria ny teny atolotrao dia tena ampy fatra
mahalaza ny fitia ampoka sy tena feno
teny tsy natao handratra fa teny mamy foana no heno

amiko ianao ilay idealy, tsy mba manana sahala
ianao dia ianao mihitsy ilay iriko ho malala
mamy eny fy ery, izany tia no sady tiana
tsy mba hanam-piafaràna, izany akia no faniriana...

Tsiky Mitia
--------
Rohy:
887 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : tiamitsiky
Daty : 05/08/2016 04:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142