MPANORATRA (Tsiky Mitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANORATRA

Tiako mihitsy ange raha ho mpanoratra avokoa
ny ankamaroan'ny olom-pantatro rehetra
hiangaly izany ho tsara fa tsy hanao kitoatoa
Ka ho soratra mitoetra

Raha mpanoratra aho mantsy, ka poeta ianao
dia hifamaly ny aingan-tsika
tsy ho tontan'ny ilay ela fa ho ainga vaovao
tsy hahatsiaro hangatsiaka

ilay fifandraisantsika iny raha mpanoratra ianao
dia ho feno misitery ka ho tena hafa mihitsy
fa eny an'habakabaka eny no hihaonako aminao
eny, na dia ora vitsy

fifankazahoana am-po sarotra ho hazavaina
fifandraisan'ny fanahy tsy mba manana sahala
ka mazotoa manoratra ianao ry sombin'aina
fa raha izaho aloha dia tena tsy hisalasala

Tsiky Mitia (02/08/2016)
--------
Rohy:
1120 1
Hevitra mandeha
famoha ( 05/08/2016 15:49)
Mafnartr'e!
tiamitsiky ( 06/08/2016 03:42)
Mankasitraka, dia mazotoa mamaky a!
famoha ( 06/08/2016 04:26)
Fty mfamaly zany e!
Za mmky n anao,inao mmky n a.
Msaotr d mazto ku!
tiamitsiky ( 06/08/2016 05:17)
F'aiza ny anao hovakiana, fa toa tsy misy ato!
famoha ( 07/08/2016 14:58)
Misy ao ka!Jereo ao ambaninin'ny tononkalonao hoe: SENTO IRERY(loh: MPAMAKY FANAHY) / jereo ao daholo d mazto!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiky Mitia
Nampiditra : hjravs
Daty : 05/08/2016 03:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01