misy (Vanjanofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy andro takariva mahalasalasa saina
hatsiarovana ny lasa sy zay mbola hokasaina
mampisandratra ny hanina mampamongatra hafaliana
hanembonana ny fiainana tanilan'olon-tiana

Misy takariva miavaka mivolombolom-pararano
amin'ilay mamanton'alina maha irery an-tokatrano
mampametsovetso lalina misintona fisainana
hahatsapa ny hasambarana natolotry ny fiainana

Misy kosa anefa indrisy takariva kianjan-tsaona
mahatakona tanteraka 'lay andron-dohataona
misy ny ora tsy hahitana hafa tsy aloka mavany
andrenesana ny ngidin'ny fiainana eto an-tany!
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1007 2
Mpakafy: tsikikely - hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146