An'iza ny marina? (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia tanin-drazana hono ireto polisy
Ka niloa-bava fa ny halatra tsy hisy
Tia tanin-drazana hono iretsy zandary
Ka tsy handray tsolotra na dia ariary
Tia tanin-drazana koa hono iretsy mpampianatra
Ka ny asany tsy hataony ambanin-javatra
Tia tanin-drazana hono ireo mpitsabo
Ka dia vonona tena hitsabo
Tia tanin-drazana hono ireto mpitsara
Ka hamoaka ny marina, tsy ho voarara
Indrindraindrindra ireo olom-boafidy
Nianiana fa hoe hahavita adidy

Indrisy anefa, ireto mitonona ho polisy
Mitady ankisisika, migadra 'zay tsy misy!
Ary zandary , mpisambotra olon-dratsy
Nanafaka madiodio ireo mpanindron'antsy
Io koa ireo mpampianatra ny zana-bahoaka
Ny zana-kavany ihany no tafavoaka
Ny raharaha eny amin'ny fitsarana tsy aradàlana intsony
Fa ny i RAMATEVITEVINA ,no nambabo ny ati-pony
Ary ireo olom-boafidy mpanompo firenena
Samy tsy mahalala ny tombotsoam-pirenena

Vahoaka! Izy foana no sorona hatrany
Mizaka ny Mafy sy ny tsy laitrany
Atao fitaovana hiavotana
Tsy maninona ny firenena na mikorotana

Z'ANDRYGASY 09/04/1998
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
883 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149