babakoto iray trano (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ikoto mpangalatra mangahazo
Namely be ka tratra ny tazo
Ilay faralahy nangarom-bilany
Rehefa nihinam-bary tsy nahalany
Ilay Rangahy mpisotro toaka
Isaky ny mody mitondra paosy loaka
Ramatoa boboky ny trosa
Malain-kivoaka tsy ho voafosa
Lay zokiny indrindra tsy tafody an-trano
Voasambotry ny polisy Ka nahit'angano

Raha sendra vory izy isan'alahady
Tsy mahay milamina fa rafitry niady:
Niady ro mazava izy mivady
Tezitra ramatoa, nivoaka vavahady
Izy mianadahy, niady ampangoro
Hatramin'ny vilia avy ka torotoro
Ilay mpangarom-bilany velon-kirahira
Avy nankafy ny laoka tsara sira
Zany ka samy babakoto tafaray
Iantrao izy'reo re ry ray
Amen
Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy
885 1
Mpakafy: hjravs
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0615