Fanafodim-panahy (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny feonao ve no nanaitra sahady
Ny sofim-pitiavako efa nalady?
Ka tsy te handre feo hafa
Afa-ts'ilay hiranao tsy mena-mitaha

Ny masonao ve no mamirapiratra?
Fa ny masom-pitiavako toa nihiratra
Ny tsikinao ve mahafaly ahy?
Ka namelona ny fanahy
Hitepo fitiavana ka hijery
Sa efa sitrana ilay fery?

Ny molotrao ve no mamy loatra?
Ka nahatonga ny foko handroatra
Ianao ve no mahay manambitamby
Ka ny masonao somambisamby
Toa mibitsika amin'ny sofiko
Ka zary lasa nofinonofiko

Ny hantahantanao ve no tonga lafatra?
Fa izay fihetsikao toa mampita hafatra
Mamelombelon'aina
Toa tsio-drivotra maraina

Ny toetranao ve no manintona,
Sa izaho no naninona?
Efa ritra ve ranomaso
Sa efa resy ny ankaso?
Asa fa zaho tena sitrana
Fa indro ilay kintana
Kintana tsy mba miery
Izay nanasitrana ilay fery


Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
980 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136