Ho an'ny namana vetso serasera rehetra (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'ny namana vetso serasera
Marary lehiretsy aho ka mba miera
Raha mety, Tolory vera
Raha tsy mety, tsofy rano fa hanao mompera

Izao no tantara mpahazo ahy matetika:
Vao niposaka dia nilentika
Vao nitsimoka dia nalazo
Nanenjika ihany aho fa tsy nahazo
40 taona mbola tsy manam-bady
Mivezivezy! Sahirana mitady vady
Im-polo aho nanohatra
Reraka foana fa ts' isy vokatra
Ny telo nakariko ho tokan-trano:
1- i Manja nampiditra angano
Tsara tsara tarehy izany ravehivavy!
Hay izy'ty mpamosavy
2-novana indray an'i Andrianina
Hay Izy'ty zazavavin'ny alina
Ny fahatelo dia i Mampionona
Loza re'zany Raha hampiady olona

Naleoko indray nisipasipa teny
Efa nahatratra 37 izy ireny
Raha ampiana ireo vadiko talohany
Moa ts'izaho no voalohany
Nefa, tsy mbola tafa ihany
Aleoko ihany mandao ny tany
Any amin'ny tontolo ny maizina
Mety ve raha misotro poizina?

Ry namana vetso serasera
Marary lehiretsy aho ka mba miera
Raha mety, Tolory vera
Raha tsy mety, tsofy rano fa hanao mompera
Sa ahoana ho ianao?
Inona no hatao?
Hivoady tsy hanambady!
Tsy zany ve no resy tsy miady

Z'ANDRYGASY, 09/04/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1669 1
Mpakafy: soa.tiana
Hevitra mandeha
tojoninofy ( 16/06/2015 16:28)
Aza resy tsy miady
raha mbola mitady
fa misy any ho any
tsy lavitra izany
fa akaiky eo ihany
mahereza razoky a!
z'andrygasy ( 16/06/2015 17:55)
Misaotra betsaka rahalahy, havana tokoa nareo e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1496