Hoy Ralay tamiko (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy tafody an-trano izy raha tsy alina
Tsy nampaninona, nodiako fanina
Ity anefa ny tena lalina
Maraina izy tsy mahamasa-kanina
Omena vola bazary
Ny ao an-trano anefa tsy misy vary
Raha nataoko ny tombatombana
Ny vola ampy iray volana
Izaho mandeha miasa
Mitondra akanjo tsy voasasa
Fa ny tena Loza aza
Tsy zanako lay zaza

Dia nirotsaka ny ranomasony
Ka nihiaka ny antsony:
Ny tantarako tsy mahaliana
Tantara ts' isy fifaliana
Ny zava-misy anefa
Ny fitiavany diso fiantefa
Tsy nahay nisafidy
Ka tojo ny mangidy

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
737 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014