Izy mianakavy (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana izany zanako izany
Hoy neny nanontany
Mitsangan-tsy velona ry Neny
Hoy aho nalaina hiteny
Sao ary ianao hakana dokotera
Hoy indray izy niera
Tsia hoy aho, avelao aho haka saina
Fa ny foko no noratraina
Ity tena olo-tsy manjary
'Zany avy ka hankarary
Hoy Dada tsy nankasarotra
Avelao izy hoy Neny niady varotra
Ianareo indray ity no lasa miady
Sss, mivoaha any nareo mivady!
Ess! Mandehana lesy mitady e!
NY vady anie soloana vady e!
Rangahy antitra adala
Miseho mahalala
Vao maika mankasosotra 'reto
Avelao aho, ny anareo eritsereto
Fa inona indray zao,tabataba lava foana?
Hihinana aho, zaho zany, tena noana
Hoy 'lay vavimatoa, rava nianatra
Ity fa zana-baratra
Zaza ts' isy saina
Hanina foana no ao an-tsaina
Zao no izy anaka,
Otrony amim-bavaka
Misaotra ry Neny tiana
Nanome hafaliana
Ka aza manahy intsony
Fa ny foko efa tony
Z'ANDRYGASY ,19 May 2013 (*)
Notakarina tamin'ny resaka heno, narafitray ho lasa tononkalo
--------
Rohy:
985 0
Hevitra mandeha
z'andrygasy ( 16/06/2015 08:08)
Raha ianao no nanoratra azy inona no ho nataonao lohatenin ' io tefy maika io lohateny io, fa tsy aingam-panahiko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102