lolo hafahafa (Z'ANDRYGASY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao an-tsahaDia misy voninkazo, manaitra mpizaha
Voninkazo Samy tsara fofona
Arahin-doko Samihafa sosona
Dia iny lolo toa mitety azy ireo
Tsy naka mamy anefa
Fa lasa rehefa
Avy niodikodina teo
Lolo hafahafa,
Eny tena hafa
Tsy voasinton'izato
Voninkazo tena kanto
LOLO ADALADALA
--------
Rohy: