Nampiditra : Herimar
Daty : 06/09/2019 13:17
Nijery : 3340
Tononkalo: 137 Jereo eto
Mankafy : 1 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

NY HERIMAR

Mpikambana ao amin'ny HAVATSA/UPEM, fikambanan'ny Mpanoratra Malagasy i Ny Herimar.
Jean Marcel RASOATAKALOSOANDRO no tena anarany. Teraka ny 11 May 1997 tao amin’ny efitranom-piterahana Nasandratrony Fianarantsoa izy. Zanak’i Bienvenu Jean Marcel RAMBELOSON sy Dorothée HERINIRINA, izay samy tantsaha mpamboly monina ao Ampatsakana Nasandratrony, ambanivohitr’i Fianarantsoa. Zaza fahatelo izy, efatra mirahalahy izy ireo no zanak’ireo ray aman-dreniny. Nanomboka nianatra tao amin’ny sekoly tsy miankina EPC Tomboarivo Nasandratrony ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2009. Nahazo ny laharana voalohany tao amin'ny firaisam-pokotany Nasandratrony tamin'ny fanadinana CÈPE. Nanohy ny fianarany tao amin’ny sekolim-panjaka CEG Nasandratrony ihany izy nony nahazo ny CEPE. Voaray ho mpianatra tao amin’ny CERES Nasandratrony ny volana Novambra 2009. Nahazo ny mari-pahaizana BEPC ny taoana 2013 ary nianatra tao amin’ny Taom-panomanana CERES Ankofafalahy Fianarantsoa. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana kabary nataon’ny CERES ny taona 2014. Nanohy ny fianarany tao amin’ny KMFX (Kolejy Masindahy François Xavier) Ambatomena Fianarantsoa ny taona 2O14. Nanomboka nanoratra tononkalo izy ny taona 2015, ilay tononkalo mitondra ny lohateny hoe: “NY LASA”. Ny sombintantara nosoratany voalohany ihany koa dia ilay hoe “Ngidim-pitia”. Tia loatra ny ohabolana sy ireo fomba fiteny samihafa izy ka nianatra kabary tao amin’ny SEKOLY LASALIANINA MIKABARY Fianarantsoa ary nahazo ny mari-pankasitrahana “Tena Tsara indrindra” ny taona 2016. Nanohy ny sampam-pianarana siantifika izy ary nahazo ny mari-pahaizana bakalorea ny taona 2017, tao amin’ny Kolejy KMFX, mari-pankasitrahana "Tena Tsara indrindra". Afaka tamin’ny fifaninanana hiditra tao amin’ny SESAME ihany koa ny taona 2017 ary nanao taom-panomanana tao ny taona 2017-2018. Nahazo vatsim-pianarana tany Maroc izy ny volana Aogositra 2018, hanaraka fiofanana ny fitsaboana amin’ny ankapobeny na "médecine générale". Noho izany dia nanomboka nianatra tao amin’ny Faculté de Médecine et de Pharmacie Fès Maroc izy ny volana Oktobra 2018.
Voaray ho mpikambana tao amin'ny HAVATSA/UPEM, fikambanan'ny mpanoratra Malagasy ny taona 2019.
Mbola tsy Manambady. Amin’ny maha mpanoratra ny tenany dia misalotra ny solon’anarana hoe “ NY HERIMAR” izy. Samy solon’anarany avokoa na Ny Herimar na Ny Herimaro na "NY H."
Maty ny Alahady 09 May 2021 ny Rainy RAMBELOSON Bienvenu Jean Marcel raha avy natao mariazy ny Sabotsy 09 May 2021. Fotoana anisan'izay nangidy tamin'i Ny Herimar izany satria tany ampitan-dranomasina izy ary tsy nahita akory ny fatin'ilay Rainy tsy foiny. Hita taratra tany amin'ny asa sorany io fahadisoam-panantenana io satria io Alahady nahafaty an'i dadany io dia fotoana nifanomezan'izy mianaka fa hifampiresahan'izy ireo an-telefaonina. Asa na izany tokoa no antsoina hoe lahatra fa dia tena mampalahelo.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ny-herimar-ny-herimaro-ny-h
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144