Iny habakabaka iny (andriary)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny habakabaka iny tsy foiko, mambabo ahy fatratra,
Satriko banjinina,fa vinakiko eo ny hafatra
Mampianatra ahy hitia , sy hankafy lay tiako
Itarafako ny aminy , sy ny anton'ny fisiako!

Iny habakabaka iny misy loko mitahiry
Sary efa voatokana, tsy misy mpahita firy
Ny endrik'ilay tiako, hitako eny , eny foana
Tsy voadoron'ny masoandro, tsy voafafan'ny fotoana!

Iny habakabaka iny misy eritreritra miampita
Tafatafan'olon-droa , fijery tsy mifankahita
Any anaty lalina any misy embona tsy rava
Io habakabak'io, io no toky lalandava!

Iny habakabaka iny , raha mbola misy azy iny
Dia mbola any lay tiako , mbola miandry lay tiany
Ny baliakany marevaka, no mitahiry ny hasambarany!
Na lavitr'aza ny olon-tiany;dia toy ny eo am-parafarany

Iny habakabak'iny, raha sendra semban-drahona,
Toa misy alahelo , tafatoetra te- hisaona
Dia maizina tsy hita , ny hitsilo zany lalako
Fa aiza ho aiza eto an- tany, no misy lay malalako

andriary
--------
Lien:
1051 0
Commentaires
ravaomanahirana ( 27/01/2005 13:35)
andray !tena tiako be ny tononkalonao, mety tsy lavitra anao ilay malalanao ,tohizo fa tena mitondra ny mpamaky manonofy
vetsoko ( 27/01/2005 15:37)
Eeehhhh....iny habakabaka iny marina ry andriary no zavatra iraisana aminy any an-tany lavitra any,misaotra anao nampianatra
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015