MITIA MANGINA (faniriantsoa RAZAKAMALALA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITIA MANGINAzakaiko amim-pitsikiana
ity foko misy fery
fa hotiaviko mangina
hokoboniko ho ahy irery
sahirana ny vavako
nefa aleo aloha iafiako
mba tsy hilaza ny fitiavako
aminao ry tena tiako
fa ato am-poko ihany
no itiavako anao
izaho tsy hilaza izany
amin'izao rehetra izao
aleoko mitia mangina
mba tsy hanenenako
na ho mandrapa-oviana
fa matahotra ny tenako
matahotra ilaza izany
matahotra satria...
tsy haiko ny any am-ponao any
na ho eny na ho tsia
na mijaly re ny foko
na miasa koa ny saiko
na dia sento sy toloko
fa ny hiteny toa tsy haiko
raha ny ato am-poko anefa
mba te hanana olon-tiana
sady tia anao,kanefa...
aleoko mitia mangina
Faniriantsoa
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : faniriantsoa RAZAKAMALALAInséré par : Faniriantsoa RAZAKAMALALA
Date : 03/01/2022 13:53