Tsy avona (Lantorose)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy miavona aho akory raha mangina tsy miteny
Ny arahabanao tsy novaliako akory
Tsy miavona aho raha hitanao nianjona fijery
Fa ny foko no nivoady ny tsy hitia intsony.

Anefa raha miavona no teny hitanao
Entinao mamaritra ny fihetsiko anikeo
Tsy tsininao akory fa noho ilay fery vao
Toa niainako vao teo

Fa ny tsikinao no tazako dia izy no tsaroako
Misarika ahy hiverina amin'ny lalana nandratra.
Ny masonao mibanjina mambabo indray ny foko
Hisetrasetra hitia, hitia latsa-paka

Tsy miavona aho akory raha moana tsy niteny
Fa namefy fotsiny ny foko tsy ho tia
Ny avonavoko iny no entiko hiteny
Sy hiangavy anao hoe mandehana mivilia.
--------
Lien:
229 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151