HO NENINAO (Mikalo nantenaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitia ianao kanefa...
fitia an-tendro molotra,
no nambabonao ny fony!
mantsy nitia anao izy...
ary tsy an-tendro molotra,
na fitia an-tendrompo.
fa ny azy ilay fitia...
nioripaka tao anaty
ka tsy misy mahavono,
tsy misy afaka hioty
ilay raozy novoleny,
fa ianao irery ihany
no nomeny ny fanalahidin'ilay zaridaina tsara fefy.
tsy tsapanao izany,
fa ny any ankafa ihany
no tianao ho tantanana,
dia nilaozanao teo ilay ankany 'kelinao,
ka lasa karakaina...
'lay tanin'jaridaina nohajariany omaly.
ilay raozy efa ringitra sy mavo,
fa tsy misy mikarakara intsony,
fa ny rivotra mandalo no mitsoka
ka nanintsana ny ravina.

dia ny hany sisa heriny!
namono ny fitiavany
'zay nandratra ny aty fony,
ka 'lay trano vato...
no sisa nofinidiny andevenana ny lasa.
hifona ihany ianao kanefa...
efa tara loatra,
hitomany ianao tsy ho reny,
fa ny hafatra napetrany
teo an-dohafasany no taratasy farany ho anao,
hoe: raha toa ka "HO NENINAO"ny vitanao rehetra,
dia aza akory mitomany
fa
any ankoatra totosaina.
--------
Rohy:
881 1
Mpakafy: mikaloofficiel
Hevitra mandeha
mikaloofficiel ( 05/03/2020 15:33)
Tsiaro manonkana ho azy...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mikalo nantenaina
Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 05/03/2020 15:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152