NY JALIKO (MPANAZARY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangidy toy ny tangena
Tsy zakan’ny olombelona
Ity fahoriana sesehena
Efa mila tsy voatelina

Misahalatsiro amin’ny vahona
Mafaitra sarotra ambara
Efa mila hampiteny ny maona
Ka atahorana hampizarazara

Mavesatra manindry toy ny vato ao ankatoka
Mangirifiry maharary toy ny dian-kapoka
Mangotsoka manaintaina toy ny fery vao
Mikorontana mifamaofao ao andohako ao

Ny fahoriko angamba tsy miantraika aminao
Fa ny ahy aloha efa mila tsy hay zakaina
Ny fijaliko angamba tsy mitovy ny anao
Fa mafy ny ahy ka mafy,miantraika amin’ny aina
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1310 1
Fans: SIOKATOKANA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014