TSY AMPY (Ni..! (RPR))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ampy akia ny fotoana
hilazako ny ato anatiko
Ka na ahoana na ho ahoana
Be ny zavatra tsy tantiko
rahefa injay mifanalavitra ny elanelantsika

Tsy ampy ho ahy ny tontolo andro
voafetran’ny fotoana
Hany ka na ilay masondro
miposaka antsinana aza
Noheveriko nipoitra avy eny andrefan’eny
mandoko ny amintsika roa

Hary!!
Izao no tena maharary
‘ty izaho tsy azon-kafanana
fa mirediredy anao
te hianoka fitiavana

Malala !
Angolaiko ho anao daholo
Rehefa karazam-pitiavana
Sy izay rehetra mbola tsy hitako
Satria ny antony dia tsotra:
Mbola tiako ianao hatreto
Ka anokanako ny androaniko
Sy hindramako ny ampitsoko
Tsy hanadino ny aminao
Mandra-pialam-pofonaiko
Tiana: IANAO IHANY NO ILAIKO

03/08/2009 11h 11mn
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1088 1
Fans: Niii
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171