Anjara (Ntoaris)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny fanalahidy
nohon'ny varavarana
F'izay tokana voafidy
no tena lohalaharana

Be ny maso mifanena
Kisendrasendra,tsy natao
Fa misy jery mahajambena
Maharesy tsotr'zao

Maro ny mpifankatia
no ireo mpifahavalo
fa izay natao hiaradia
no miray saona sy kalo


Maro loatra raha ny tsara
tsy ho voaisa,tsy ho lany
Fa ny tena ho anjara
d tokana ihany.
--------
Lien:
1224 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159