SAMBO (Ny Avana Ramanantoanina)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba sambatra ho aho iry sambo iryFa lalan'ny mody mankany aminay,
Fa reraka kosa ity tenako ity,
Fa voro-mifatotra latsaka an-kay !
Ny lohan'ny manina mamelovelo
ny kibon'ny lavitra be sentosento
Ka hony, ry sambo, 'ty fo malahelo
Hanafatra kely ka indro mba ento
Ry sambo tsy tana, fa maila-pisosa
Mamaky ny onja tsy lany lanina;
Manaraka anao ny velomako kosa,
Veloma malefaka sady mangina !
Veloma ry Sambo, amin'ilay niaviako,
Dia ilay Nosin-tany tsy tazako maso !
Raha toa manantsafa ny fianakaviako,
Tontalin'ny foko ny hoe : Mba andraso...!
Andeha, ry Sambo, veloma masina,
Tongava any soa; tongava any tsara !
Ny dia ho tomombana sy ho tahina,
Ambanin'ny lanitra tsy hita fara;
Tsaroako, Rasambo, fa... Mamy ny mody !
Izany no anaovako kopa-mosara
Ka dia miverena ho faingam-pitody,
Hitondra ny valin'ity ao afara...!
Revio Dingana N°5 1970 p.7
--------
Lien:
Fans:
Masoandro Mainty