SAKAIZAN'NY SEKOLY (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela tiavako anao sekoly
Fa ianao tsy miraika
Izany tenako efa goly
Ny antsika
Nohon'ny fiandrasana anao


Dia niandry anao foana..!
Nanantena hatrany..!
Na hoe aminerintaona
Vao hahita mamy


Fa indrisy e...!
Nandofotrao indray
Tsy nisondrotra kilasy
Ka indro tena fay


Dia nalefako ny taratasy
Ts'isy valiny akory
Haotra sur vinhgt
No isa tena ambony


Fa ahoana sekoly a!
Tsy tianao aho ve?
Handeha mba hiala voly
Aiza tianao haleha?


Dia nandalovanay akatso
Tsy nahitana vokatsoa
Vao may nikatso
Ka indro tena voa


Dia nolalovanay votovorona
Niala maina tanteraka
Vao may nitorona
Ka indro tena reraka


Tsy zakako sekoly
Ka navaloko tanteraka
Alehoko re mamboly
Raha samy ho reraka
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - Fitiavana
1267 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014