SAKAIZAN'NY SEKOLY (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela tiavako anao sekoly
Fa ianao tsy miraika
Izany tenako efa goly
Ny hantsika
Nohon'ny fiandrasana anao


Dia niandry anao foana..!
Nanantena hatrany..!
Na hoe amin'ny herintaona
Vao hahita mamy


Fa indrisy e...!
Nandofotrao indray
Tsy nisondrotra kilasy
Ka indro tena fay


Dia nalefako ny taratasy
Ts'isy valiny akory
Haotra sur vinhgt
No isa tena ambony


Fa ahoana sekoly a!
Tsy tianao aho ve?
Handeha mba hiala voly
Aiza tianao haleha?


Dia nandalovanay akatso
Tsy nahitana vokatsoa
Vao may nikatso
Ka indro tena voa


Dia nolalovanay votovorona
Niala maina tanteraka
Vao may nitorona
Ka indro tena reraka


Tsy zakako sekoly
Ka navaloko tanteraka
Alehoko re mamboly
Raha samy ho reraka
--------
Lien:
Catégorie : embona - Alahelo - Fitiavana
1459 0
Commentaires
hery ( 05/11/2024 16:02)
Na dia tsy tia sekoly aza mila mianatra teny malagasy ihany an.
Fanitsiana vitsivitsy:
- Hatsiaka fa tsy Antsika (izay ilay hoe mangatsiaka)
- Amin'ny herintaona fa tsy aminerintaona
sns...
Kivy aho
fenobe3 ( 11/02/2025 03:21)
Misaotra tamin fanitsiana zoky aaa! Tsy oe tsy tia sekoly tononkalo fotsiny ihany tsy voatery iainana mankasitraka eeee
ZavonaRakoto ( 14/02/2025 07:05)
Fenobe3, misaotra anao, mba fiangaviana kely fotsiny angamba no angatahiko, "tsy misy hanaja mihitsy ny tenin-drazanao raha toa ka ianao tompony aza...."

ampiaino tsara ny aingam-panahinao fa sora-kanto no nanaovanao azy ary misy fanahy.

"tsarao hoe azo haranty anaty boky hianarana ve ny tsipelina sy ny rafitra anaty tononkalonao? ataovy lavitra ny nofinofy e!"
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3233