ALEO MISARAKA (Ravanondrazana)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isika efa niaraka hatramin'ny ela
Kinanjo ny bosy no saika tavela.
Ny saiko tsy afaka ny hizara roa:
Hianatra mafy sy hitia anao koa.
Ianao te hampiaraka sy hirikarika?
Aleo hifarana hatreo ny amintsika!

Izany eo ihany fa ity koa no olana,
Rainao mitrerona toa kotrok'orana;
Mandrara fitia, izay mbola mitsiry.
Ny reninao koa tsy omeko ny tsiny,
Raha hoe sarotiny no sady masiaka.
Aleo hifarana hatreo ny amintsika!

Tsirim-panentako tsy haiko raràna,
Manana tiana, fa tsy ampy filàna.
Izaho toa mijaly no antitra ho azy;
Ka tsy mahandry an'izay mariazy.
Maina ny tendako amoron'ny riaka.
K'aleo hifarana hatreo ny amintsika!


RAVANONDRAZANA
27 avrily 2020
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - fisarahana
877 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ravanondrazana
Inséré par : Ravanondrazana
Date : 30/04/2020 16:34
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0145