AVO LENTA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVO LENTA



Hafahafa izy iny,
Mikalo ny fahiny dia mihira ny ankehitriny.
Raha hanoratra ho azy ianao dia izao no tadidio.

Aza alefa any,
Raha soratra kely,
Natao vonjimaika no atolotrao ho azy.

Aza alefa any,
Raha natao an-tery,
Tsy avy amin'ny fo fa noraisinao sazy.

Aza alefa any,
Raha hafatra moana,
Manalabaraka ny fanahy sy ny ngadona.

Aza alefa any,
raha sora-misaona,
Ndrao indray ny kanto no lasa hotakona.

Aza alefa any...
Raha mbola manahy,
Tsy tena mahatoky ny fony any lavitra.

Aza alefa any,
Ny tarainan-dehilahy,
Raha mbola tsy vonon-kiafy sy hiaritra.

Aza alefa any...
Raha anatin'ny toaka,
Vao sahy mamoaka ny tena ao am-po.

Aza alefa any,
Raha vetso mivoaka,
Tao anaty fifohana mahadoma ny loha.

Aza alefa any,
Fa mainka tsy tiany,
Raha rima efa fantatry ny olon-drehetra.

Aza alefa any,
Raha toa misy tsiny,
Ilay soratrao tiana hambaboana poeta.

Aza alefa any,
Raha 'ny hafatrao iny,
Ndrao hovaliany amin'ny kalo avo lenta.


RAVANONDRAZANA
07 JONA 2022 15:29
--------
Rohy:
358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : ravanondrazana
Daty : 07/06/2022 18:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728