EFA NOLAZAIKO ANAO (Ravanondrazana)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA NOLAZAIKO ANAOHolazaiko androany ity tsiambaratelo ity.
Raha misy tovovavy: iray, na roa, na telo,
na folo na roapolo milahatra manoloana.
Samy anaty akanjo :"tsy dia manahoana"
Samy natoraly mba tsotsotra eo daholo!
Hinoako marimarina amin'ny foko manontolo:
Misy iray ao tsapa mahafehy ny fotoana;
Mahavita mampiraikitra izao tontolo izao.
Misy iray ao kanto sy miavaka eny foana.
Izany ilay malalako EFA NOLAZAIKO ANAO !
RAVANONDRAZANA
11 JONA 2022 07:38
--------
Lien: