EKENA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKENA


Ekena ianao poeta no milaza fa tia ahy
Ekena tonga lafatra mamelona fanahy
Irony sangan'asa: voangalinao hatrany
Mandokoloko sary sy mihira izany tany
Sora-mampanofy no sady mampahery
Vonon-kampitraka 'reo osa sy malemy.

Ekena ianao poeta no milaza fa tia ahy
Ilay sasatra mikalo ny lasa sy ny tsiahy.
Ekena fa mandona ny rehetra soratrao
Ngadona sy rima avo lenta tsotra izao!
Kanefa moa indrisy, ry poeta diso kajy!
Hay ny foko vato no sady tena mandry.

Kanefa aza kivy dia aza ianao misento
Satria efa voalaza fa ny fomban'ny eto
Rehefa ts'isy hatokona sy te hitetateta
Rehefa lany paika, dia miova ho poeta
Ny sisa sy ny sisa... ka dia ialako tsiny
Fa sanatria tokoa ny hitia anao toa iny.

Ny volana takarina, dia lasa mialà any!
Ny penina lalaovina ry adaladala izany!
Ny tononkalonao aza alefa aty intsony
Fa efa mankaleo sy mampisy lonilony.
Ekena ianao poeta no milaza fa tia ahy
Dia tiako koa ianao fa fitiavan'anadahy
Sy fitiava-namana no ifanolora-tanàna,
K'aza ianao mikiry, ny ho silaka fanahy.



RAVANONDRAZANA
25 OKTOBRA 2021
--------
Rohy:
385 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 26/10/2021 16:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103