HAFA IHANY I NENY (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFA IHANY I NENY



I neny aloha tsy lohany ao anaty tokantrano...
kanefa dia voalohany tena hoe sarotiny amin'ny zavatra rehetra
Fa kosa mora halamina.
Mazàna koa mitsetra...
Marary hila ho fanina raha sanatria ny tiany no iny fa solafaka.

I neny ilay maharaka ny fiainana ao an-trano:
Fantany amin'ny endrika
raha mitantara angano, raha sendra alahelo mampaganohano;
Fantany amin'ny fihetsika ianao mamelovelo
Raha tojo fifaliana satria nahazo toky avy any ambadika any.

Arany daholo ny hajejojejonao
Rehefa andeha hivoaka.
I neny ilay ihafenana rehefa mifanena any anatin'ny vahoaka
raha miaraka amin'ny namana.
(Angatahana vola rehefa noananoana na misy raha tadiavina)

I neny be fitiavana
tsy sasatra manatona f'ianao no manalavitra.
I neny ilay miteny tsy rarahina intsony, fa efa redin'ny antitra.
Ianao ilay mialasakana, mihaino toro-hevitra
aseseky ny namana: tsy menatra handentika.

I neny mieritreritra rehefa eo am-pandrina ka tsy mahita tory
mijery ny fanitso... Saininy eo sahady ny tolona rahampitso.
I neny ilay tomany mivavaka mangina fa tsy fantatrao akory.

I neny ilay sahirana mikarakara fatratra tsy te ahalala reraka.
Izy koa be resaka raha sendra fahombiazana
ny sombiniainy tiany.
"Ny zanako iny izao a! Efa hamaraparana ny taona fahadimy."
Hoy ny dokadokany amin'ny ray aman-dreny namany.

Aza omenao tsiny izy f'izay ilay hoe fon-dreny.
Ianao na dia maditra tsy afaka tsy ho zanany !
Ambony ny herin-tsainy ka izay mitranga eo zakany.
Nefa ianao tsy sasatra minia manavesatra ny zioga nolanjainy.

I neny ilay botoina, tezerana, valiana, saingy mbola miharitra !
I neny ilay mametraka ny tokantrano keliny, hilamina finaritra
eo an-tanàn'Andriamanitra.



RAVANONDRAZANA
22 MEY 2022
--------
Rohy:
336 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : ravanondrazana
Daty : 07/06/2022 16:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104