HAINTSO (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAINTSO

Koa aoka aloha hazava,
Ry tiako (tsy tononona) !
Izaho, tsy toy ny olona
Mpanao savony vava :
Mampanantena volana
Sy zavatra rehetra.
Tsy adala mpanonofy
Tahak’ireo poeta izay tia mitetateta.
Mandoka be fahatany
Amin’irony teny mamy
Avo lenta, mahafanina
No sarotra hotakarina.
Mihevi-tena ho marina
Sy kanto tonga lafatra
Ireo toky tena fatratra,
Ary mahay mandahatra
Am-bava na an-kafatra,
Kanefa hainao ihany f’izaho tsy toy izany !

Ry silako eto an-tany a !
Angamba aho savolaina
Mahatsapa votsa saina
Satria tokoa tsy ahadingana
An’ilay nahababo anao.
Aleo mba tsy ifandirana…
Izaho ve moa ahasakana raha mbola tia ianao ?
Herezo aho fa sahirana,
Tsy mahalala akory
Ny mba hanambitamby
Anao ilay olon-tiako –izay efa nofidiko-
Raha sendra miadiady.
Kanefa ny ahy ny iriako
Ny hiazonanao ny tànako hifikitra aminao.
Hatramin’ireo taranako,
Ireo dimby sy ny farako
Sy izao tontolo izao :
Nomeko anao ho anjara.
Hinoako marimarina
F’ianao ilay reny tsara
Mendrika hotiavina
Ao anaty tokantrano.
Ianao mahalasa adala
Sy mampanganohano…
Satria mamaka loatra
Ilay fitiavana mibaiko
R’ilay mitondra anarana mifarana amin’ny haintso !

RAVANONDRAZANA
16 NOVAMBRA 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
381 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 19/12/2021 13:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155