HO DORIA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO DORIA



Izaho ilay mora babo tamin'ny hantahantanao,
Na dia mbola zaza. Vao sambany aho ny hitia!
Ny taonako io ekeko mbola kely noho ny anao
Saingy raha ny hisangy dia ataoko ho sanatria.

Ianao ilay tia manitsy sy mananatra eny foana
Satria tokoa nivoaka, tamin'ny taona sivy sivy.
Izaho ilay zaza saina mbola zandry telo taona
Mazava ho azy aho teraka ny roa sy roa arivo!

Raha resaka fahaizana: tsy misy ny elanelana.
Raha resa-bolo-koditra: tsy akory mifangarika.
Raha resaka halavana dia tsapa mifanentana
Satria ianao ilay fohy no anisan'ny nahasarika.

Sahala tsy mampino fa nahoana ianao no tiako
Ireo namana aza moa, sahy manebaka avokoa!
Kanefa na dia izany, dia efa ianao ilay nofidiko.
Fa tokana hifaliako, tsy hikendrena tombotsoa.

Ianao no nampitsiry, ilay fitiavana ato am-poko
Nanentana fanahy, tamin'ny rima an-tononkalo.
Angamba noho izany dia tsy misy fahadisoako
Ny mitia sy ny mitoetra, fa tsy fotsiny mandalo.

Ireo lasanao rehetra no efa fantatro io, kanefa,
Tsy rarahiako akory... Na dia firy no efa teo!
Fotsiny hangatahako, mba aoka ianao hahefa
Hampianatra ny tena, manoloana izay miseho.

Izaho ilay mora babo tamin'ny hantahantanao
Na dia mbola zaza. Vao sambany aho ny hitia.
Ianao ilay tovovavy mihoatra izao tontolo izao
vonon-kisambarako amin'ny fiainana ho doria.



RAVANONDRAZANA
23 OKTOBRA 2021
--------
Rohy:
583 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 26/10/2021 16:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101