TRIATRA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRIATRA


Tsotra ny ahy ny teniko:
Izay vita rehetra neniko.
K'aleo mihitsy hisaraka,
Hanitsina ny manaraka
Sy fiaina-mbola ho avy.

Misaotra anao vehivavy,
Nampihetry voninahitra
Ny tolotr'Andriamanitra.

Ny ambom-pon-dehilahy
Any ambany rangolahy:
No satrinao hiadanana?

Hafa indray hiarahana
F'izaho ilay tonga saina,
Na dia efa nopaisoana
Tao anaty fahadisoana.

Izaho ilay mba mifona...
Fa diso foana mantsy.
Ianao tsy diso mihitsy
Na dia efa manao ratsy.

Kanefa moa... indrisy,
Nihezaka aho nanitsy,
Hampateza fiarahana...
Milefitra aho mazàna,
Kanefa ho'aho tsy tàna!

Izany aloha eo ihany...
Mahalatsaka tomany
Ilay ianao miadaladala,
Mbola tia ilay malala
Nahafoy anao fahiny.

Ho fanafody hindramina
No nitiavanao ahy iny?
Naleoko tsy notiavina!
Raha vonjimaika ihany
Sy hanihany toy izany.

Raha mbola tena tiany,
Ianao dia mandehana...
Ianao rahateo tsy tana
Na dia nampanantena,
Tsy hiresaka aminy iny.

Tsy omeko tsiny ianao
Raha izao tontolo izao,
Efa ravaravan'ny ady
No tsy misy tahaka azy.
K'izaho no hanaja tena,
Hiala am-pahendrena...



RAVANONDRAZANA
20 AOGOSITRA 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fisarahana
358 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : Ravanondrazana
Daty : 21/08/2021 18:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138