VALIN-KAFATRA (Ravanondrazana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VALIN-KAFATRA


Mangina aky ny atÿ a!
Mangina sady manina ny anilanao satria,
mampatsiahy ny lasa
izao vanin'andro izao.
Kanefa koa mandatsa
ny orana mikija mandritra ity fahavaratra.
Mandefa ny eritreritro,
manokatra ny feriko, efa mba nitsahatra
ka manam-pitoniana anilan'ny olon-tiana.

Fa tamin'izao isika, ilay niaraka tsy niato,
nifampisary zoro manerana an'i Ambato.
Mamy ilay fiarahana na dia tsy naharitra:
nanombo-Janoary ka nisaraka ny Marsa.
Fotoana fohy kanefa, nametraka tantara,
matoa koa nisaraka midika fa tsy anjara.
Tadidiko eto tsara, ilay isika roa nivoaka
ilay isika roa nampiaraka...
tsy te ahalala akory izay varatra hipoaka.

Fa aleo izany ho any e! Aleo ankoatr'izay!
Inona no kajy nandritra ny ela izay dia...
Mbola any Ambato ve ianao ankehitriny ?
Firy izao ny ankizy? Dia firy koa ny rainy?
'Zaho aky efa manana nasoloko anao iny a!
Sady tsara toetra no kanto mahafinaritra.
Misaotra an'Andriamanitra!
Ny anao koa toa izany e?
Tsy dia misy ambara fa izay sy izay aky a!
Misaotra anao nahatsiaro...
Misaotra koa satria
Tsy nanan-dolom-po nandray ho fahavalo.
Mirary anao ny soa, ny tsara sy ny mamy...
Hitako eto mihitsy fa sambatra ianao any.



RAVANONDRAZANA
15 Janoary 2022
--------
Rohy:
418 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ravanondrazana
Nampiditra : RAVANONDRAZANA
Daty : 17/01/2022 08:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144