TSIARO... (LAVO SAINGY TSY MBA MATY...!) (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahatsiarovana ny fitsingerenan-taona nanoratana ilay tononkalo "LAVO SAINGY TSY MBA MATY...". Izay tolotra manokana ho tsiahy an'i........ (Erikerika manify....... Ankadifotsy)Indrisy ry tany be siasia!
Dia nalavonao e! Ilay aingam-pitia,
fototry ny hira mitamberina an-tsaina,
raha sendra tomany, na sendra taraina.
Dia lavo tokoa a! Nianjera tsy satry,
ny nandaozany anay dia mbola tsy tanty,
saingy atao ahoana, fa izay no anjara?
Sori-baovao, manori-tantara!
RRAG
06 Jona 2018
--------
Lien: