NY FANAHY NO MAHAOLONA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANAHY NO MAHAOLONA…
Ny fo tsy te hangina, fa te hitroatra hiady,
mba ho fanafahana, ny zoga entin-tena.
Voafonja ny fanahy, voafatopato-tady,
fa toa manjaka irery, ny fitiavan-tena.

Mitroatra ny fanahy, mitady fahafahana,
toa ny ahiahy, no ‘ndray misakan-dalana.
Dia ny tena ihany, no mihazona ny laka,
ny izaho no hany re, re manjakazaka!

Ny fanahy no mahaolona, fa saingy resin-tena,
milavo anaty ady, miondri-paharesena.
Ny fanahy no mahaolona, kanefa toa voafetra,
ny fahefana an-tanany, terena hanam-petra.

Mitaky fahafahana, mitaky fahaleovan-tena,
ny fanahy ‘lay mahaolona, voafatotry ny izaho.
Ny izaho miziriziry, fa tompom-pandresena,
resy ny fanahy, raha nanoloana anao.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Lien:
512 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.025