MATOKIA NY FITIAVAKO (Tsiky Mitia)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATOKIA NY FITIAVAKOMatokia ny fitiavako! mbola averimberiko
Matokia ny fitiavako! mbola antitranteriko
Izany teny mamy izany no atelemo sy ivokiso
Aza manana ahiahy, ny fitiavako itokiso
Matokia ny fitiavako ry malala tena tiako
Ianao irery ihany! ianao no efa nofidiako
Matokia ny fitiavako! ka aza manana ahiahy
Matokia ny fitiavako! aza manalavitra ahy
Matokia ny fitiavako! esory hatreo ny sorisory
Matokia ny fitiavako! tsy hamadika aho akory
Matokia ny fitiavako k'aza mba misalasala
Matokia ny fitiavako! etsy orohako ry lala!
Tsiky Mitia
--------
Lien:
Catégorie :
fanantenana - Fitiavana