ry diary (Vola)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry diary


Indro indray aho hanoratra ho anao
Hitanisa vetivety ny lasako hatrizay
Ao mantsy ireo zay tsy mety mandao
Fa mitamberinberina mitoetra ho tsiahy
Tsy mety manadino,asa angaha nahoana ?
Fa dia misy mantsy hery milaza ho tena mafy
Jereko anefa ny foko !toa babangoana
Toa mitsiky ihany ,toa tsapako miafy
Dia sanatria vé ilay fitiavako taloha ?
Izay efa nalevina tsy hifoha intsony
No indro indray miverina ao an doha
Sy tsy mamela ny foko mba hitony !
Toa tsy mino izany aho !!!
Tsia,tsy izany velively
Sady tsy hanaiky izany aho
Fa toa hery hafa kely
No mitondra izato foko
Miodina etsy sy eroa
toa henoko misoko
Ilay fitia faharoa


tktnk!
--------
Rohy:
3542 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vola
Nampiditra : vola86
Daty : 19/09/2008 13:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149