Eny (Z'ANDRYGASY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny ny diam-peniko ry namana,
No Mpanelanelana, mpampihavana
Vahoaka maro tsy tambo isaina.
Izy no manitsy, Eny manova toe-tsaina

Eny ny soratananay,
No hanafay
Hiady, tena sahy
Hanafoana ahiahy

Eny ny diam-peniko ry mpiraitanin-drazana.
Tsy miangatra, tsy manafina fahavoazana.
Ny sora-tanako no lalana, fanilo
Hanazava sy hanilo

Izahay tsy mpanonofy akory
Fa mpanankanto, mpanala sorisory
Eny Izahay dia Izahay
Eny Izahay, sahy manafay
Z'ANDRYGASY, Taom-baovao2004
--------
Lien:
662 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016