Ny any ambanivohitray (Z'ANDRYGASY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tselatra mandalo, alina mangina,
Mamoha alahelo, ahatsiarovan'olo-tina.
Soamiditra, Soamiditra : lalaon'ankizy
Mahamanina, mampanembona izay ts ' izy

Antsam-borokely, eny ambony ratsan-kazo
Saina mihareraka, aina mila tsy ho azo
Noho ny hanina tomefy
Sy fahatsiarovana tsy voarefy

Any izay i zoky, i zandry ary Dada sy i Neny
Hoy ny vetsovetsoko tsy ankiteniteny
Ny rivotra mitambolona
Manditsoka antanin'olona
Ahatsiarovana ny any ambanivohitray
Niarahanay niandry osy rahatr'izay.

Ireo feo-milina mirimorimo takariva
Ahatsiarovana ireo feon'antsiva
Ka anembonana indray
Ny any ambanivohitray

Z'ANDRYGASY
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
1445 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0111