Raha izany no fitia (Z'ANDRYGASY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa fitia voninkazo
Manim-pofona tsy mora malazo
Raha izany no fitia
Mivetso izany ny foko, Eny tena tia

Fa fitia lalim-paka,
Fitia voasedra ao am-po ka tompon-daka
Raha izany no fitia tsy resin'ny fitia
Ekipany aho, ny hamadika sanatria.

Fa fitia nokoloina
Fitia tsy nobekoina
Raha izany no fitia tsara orina
Tompony aho ka hanao baorina

Fa fitia tsy resin-kasomparana
Dia fitia miakanjo hasambarana
Raha izany no fitia tsara paika
Tanimangako izany, tsy ataoko tefy maika
Z'ANDRYGASY, 17/02/12
--------
Lien:
1010 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1351