Ampidiro aloha ny tenimiafina
ERITRERITRA MANDALO (Dogme Razafy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha fitiavana ianao, nahoana aho no notiavinao ?Notiavinao tanaty maso sy ny masonao nitsiky
Sy nitsiky tao am-poko sy nitsiky taminao…
Ka nitiavako anao…fa moa fitiavanao mihitsy ?
Feno sary ny endrikao, misarisary ny endrikao ?
Endriky ny molotrao sy ny molotrao rehetra,
Sy nibitsika mangina tao ampoton-tsofiko ao…
Bitsika naseranao…sa naseran’ny itsy fetra !
Meloka ny fitiavana,…sa ianao nitia no meloka ?
Sa ny foko no efa diso, ka niantefa taminao
Dia nitia ny fitiavana, dia nitia ny efa meloka.
Tsia !...lasalasana vinany aho eto ambaravarankely
Dia manonofy anao, ary tafa teny irery…
Raha fitiavana aza aho, nahoana no nitia anao ?
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Mpakafy:
Azrael666
