ENY HO AHO (faniriantsoa RAZAKAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY HO AHOeny ho aho ry sombin'ny aiko
moa mba fantatrao ve?
ny halalin'ny adi-tsaiko
sy ny adim-piainana gejaiko
eny ho aho ry zanako
moa mba fantatrao ve?
f'ianao irery no fananako
sy mba harena izay tsy ananako
eny ho aho ry tena tiako
moa mba fantatrao ve?
fa iaretako ny fijaliako
noho ianao no mba iadiako
eny ho aho r'ilay malalako
moa mba fantatrao ve?
fa ianao no fahasambarako
sy mba handimby ny anarako.
faniriantsoa
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : faniriantsoa RAZAKAMALALANampiditra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Daty : 08/05/2021 08:41