NY FAHATSIAROVANA,NY FANANTENANA (Mikalo nantenaina )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midorehitra jopika
milom-bolamena iny vodilanitra iny omaly,
Mivolom-bolamena manaingo ny natiora!
Fa
Mivimbim-pahatsiarovana
ho an'ilay fo nanao maritiora
lavon'ny fitiavana
-
Mimena-mavo toy ny afo,izay-
Nanepaka ny ati-fony mbola babo,
Mivolombolon'afo nanetroka ny tena
-
Injao miteny amin'ny feo mahery
ilay fanantenana hoe; Mitsikia!
Fa ny tsikitsikinao no ampinga
entina miady,
Amin'ny herin'ny fahatsiarovana
-
(...)
Dia iny!
-
-
Nisinda malaky,tsy hita!
Ilay sentosentoko namelovelo
nandrakotra ny omaly sy anio
-
-
Fa ny hiran'ny fahazazako
nivimbina fanantenana,
No injao nihiram-betsovetso...
-
-
Dia
Resy teo ny herin'ny fahatsiarovana
Fa indro!
Tonga ilay fanantenana.

Mikalo Nantenaina
Ny;29/08/20
--------
Rohy:
656 1
Mpakafy: mikaloofficiel
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mikalo nantenaina
Nampiditra : mikaloofficiel
Daty : 01/09/2020 10:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0148