IO FITIAVANA IO (MPANAZARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IO FITIAVANA IO

Toa mila hanempotra ahy indraindray
Ilay rivotra entinao ry fitiavana mahamay
Toa afo mandoro,mampangotraka ny anaty
Ka raha ilaozanao dia miha mirehitra tsy taty

Toa rivotra hafahafa, mitondra ankasomparana
Indraindray anefa toa vahatra ifaharana
Tsy hay adinoina sady sarotra levonina
Vao mitsiry kely d'efa haingana mamonina

Fitiavana a? mamono sy mamelona
Fitiavana a?manadala ny olombelona
Fitiavana a?mandrotika,mandrava
Fitiavana a?tsy mba azo hahaizam-bava

Indraindray ianao toa mila ho fanina
Ataon'ny fitiavana tsy mahalatsak'anina
Mila hamono tena aza moa raha sendra voadona
Ka raha tsy misaina kely dia ahitaham-boina

Io fitiavana io
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1793 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 08/08/2011 06:06)
"Ity tany ity
dia feno fitia...
ka n'aiza alehanao dia tsarovy hatrany
Fa io Fitiavana io dia miely eran-tany...
Fenoiny tsiky ary itondrany tomany.

Makasitraka e! mahay ny mpanoratra.
SIOKATOKANA ( 08/08/2011 06:31)
misaotra @ fankasitrahana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MPANAZARY
Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 04/08/2011 07:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141