NOFY LALINA (MPANAZARY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray hariva izay
Tany anaty ala tany
Nisy feo anakiray
Nanakoako aok’izany
Mitoloko,mitomany
Mikiakiaka miantsoantso
Mitaraina hoe:vonjeo
Norenesin’ireo sofiko
Nampangovitra ny vatako

Feo toa avy anaty lavaka
Misy miantsa tonom-bavaka
Nampahonena ny nadreha
Ilay feo ,mba saino ange
Sady nisy feon-jaza
Miantsoantso:aiza dada?
Teo vao taitra aho sady gina
Zaza very sa nariana?
Tera-dinitra ny tavako
Nifanintona ny vavako

Soa fa nitony vetivety teo
Ireo feo zay nitoreo
Ka nahafako nisaina
Hoe aiza ilay feo mitaraina?
Dia handroso sa hiahotra
Toa tsy sahy toa matahotra
Aina anefa no ho vonjena
Ka nirisika tsy nalaina
Vao nandroso niditra ala
Izay mikitroka sy maizina
Teo aho vao tsy nahalala
Ity lalana ho diavina
Kinanjo aho sendra antsana
Ka nianjera sady latsaka
Vonjeo,vonjeo aho fa tsy afaka
No mba antsoko sy faniriana
Kay aho nanonofy
Sady potraka teo ampandriana
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1757 0
Hevitra mandeha
Zozoro ( 11/08/2011 12:31)
hi hi hi

Potraka teo ampandrina

hi hi hi

Tsara e! makasitraka
SIOKATOKANA ( 11/08/2011 13:39)
mankasitraka koa ho anao
Zozoro ( 11/08/2011 13:50)
Alefaso ny manaraka
Zozoro ( 11/08/2011 13:50)
Alefaso ny manaraka
arialy ( 21/08/2011 16:22)
décalcifié hono ny olona manofy mianjera anaty lavaka, sady potraka am-pandrina !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MPANAZARY
Nampiditra : SIOKATOKANA
Daty : 11/08/2011 07:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753