Tandindona (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tandindon’ny omaliko…

Dia nisy tandindona
Nampahatsiahy ahy ny lasa
Ny fisianao vatana narantin’ny tontolo
Satria na ny tsanganana na koa ny fijoro
Dia tena nitovy

Tonga namoha ny lasa
Ianao ry ilay niserana
Ka na dia efa voafafa taona maro aza
Ny salovan’ilay olon’ny fahiniko
Dia aoka tsy ho tsiniko
Raha ialahy izao no tonga lasa nofiko
Ka tsy kihonohonoko…
Fa namoha ‘lay marainan’ny hatanorako

Toa vao omaly leisy
‘lay efa ela be…
Ny niainanay???
Tsy ho lazaiko anao
Fa ny azo hambara dia…
Toa anao izao
Na fihetsika na tafy
Na endrika na bika
Dia toy ny taratasy tena mitody dika
………………..
Nanahaka tokoa
Ka injao mifoha ny endriky ny ela
D’ity no mba tavela
Voalohan’ny fitiavako tsy natao ho ahy
Izay olona izay
Ka te hamerina aho
Hamerina aminao izay mbola tsy vitako
Hianoka aminao satria izao no sitrako
Tsy miala ato an-dohako ny salovanao
Ka lasa redirediko fa!!!... tiako…tiako ianao

Folak’andron’Ni..! 25 Mai 2009( 13h 55mn)
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
927 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207