Ampidiro aloha ny tenimiafina
RAHA FITIA TSY ANJARA (NY HERIMAR)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA FITIA TSY ANJARA... Raha fitia tsy anjara ry zanako,
Tsy atao loatra hamoizam-po;
Efa maro ihany nisampa-ny lalako,
Ary mafy fanonja izay tokoa.
Rahefa voadonam-pitia setrasetra,
Midira ao an'efitra dia mitomany;
Tsy hanindroa izao no tarigetra,
Anatra ho ahy ny latsa androany.
Saingy raha raha nidona, voadona foana,
Tsy mahazo kivy na mivarilavo;
Ho sitrana ny ratra avalon'ny fotoana,
Ho tonga tsy ho ela ilay tena babo.
Ny diam-bala aza mety misarona,
Moa va ny fo izay itoeran'ny aina?
Zava-tsy nety iny tsara avalona,
Aleo tokantena toy izay ferinaina.
Ianao indray tsy ho lany zara,
Ny sobika aza mba manan-tandrify;
Miandry kely aloha fa ao afara,
Izao ranomaso hiova tsiky.
NY HERIMAR
14/07/2023
--------
Rohy:
