Dada miatrika fiainana (Ny zo Rado Herizo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miezaka hiasa na dia efa mararyvao mangiran-dratsy dia ef' antanimbary
Tsy mba handrenesana izay fitarainana
Izany no Dada miatrika fiainana
Miainga maraina vao maneno akoho
Mahalana izy vao mba mody aloha
Mampiasa herin-tsandry, mampiasa fisainana
Izany no Dada miatrika fiainana
Mioitra, milofo hitondra hafaliana
Miezaka handresy ny tsy fahampiana
Minia tsy mihaino ny fanaintainana
Izany no Dada miatrika fiainana
Olona anefa ka indrindray mety kivy
Nohon'ny adim-piainana mihoatra ny adidy
Saingy raha mitanondrika tsy ahitan-teny
Avy hatrany dia am-paherezin'i Neny.
Ny zo
--------
Rohy:
Sokajy :
fiainana
Mpakafy:
sedra2015
Hevitra mandeha
SOBIKA
(
29/11/2004 16:25)
HUMM MARINA ZANY! enga anie mba ho toy izany daholo ny Ray malagasy rehetra eh de ny Reny rehetra koa mba hanome fampaherezana avokoa!
za zany le mamaky tonokalo vao mikarepoka eh @ le mbola manitra be vĂ´ tsy nisy nampiditra hevitra!
tohizo fa ao tsara eeeee
sobika
za zany le mamaky tonokalo vao mikarepoka eh @ le mbola manitra be vĂ´ tsy nisy nampiditra hevitra!
tohizo fa ao tsara eeeee
sobika
vetsoko
(
07/12/2004 18:20)
ary tsy eo intsony i dada ...,?
voninkazo.fotsy
(
13/03/2005 18:27)
mahafinaritra ny tononkalonao...mampihetsi-po...Misaotra indrindra!!
chipie1
(
05/07/2005 17:37)
tsara e !
pissoa
(
17/12/2005 15:30)
tsara an!